CORONAVIRUS - Avis & Notes - Ambasciata malgascia in Italia

Recherche
Vai ai contenuti

Menu principale:

PAGES EXTRA
DECISIONS PRISES PAR LE GOUVERNEMENT MALAGASY face à la propagation de la pandémie du coronavirus.

                (Discorso del Presidente)


    Note urgente (17.03.2020)                   En français               In italiano
               (Nota urgente)                                         
    
  MAE et 5 MINISTERES (16.03.2020)  Note conjointe           Nota congiunta




Ambassade de Madagascar en Italie
Via R. Zandonai 84/A - 00135 Rome

 
Hafatra avy amin’i Ramatoa Mpiandraiki-draharaha
eto amin’ny Masoivoho Malagasy eto Italia

 
   Ry Malagasy mpiray tanindrazana monina eto Italia sy any amin’ireo firenena ao anaty fiadidianay, ianareo namana rehetra,
 
   Amin’ny fotoana manahirana sy mampisy ny voina tahak’izao dia manao izao teny fohy izao ny tenako.
 
Mankahery antsika rehetra mba hitafy herim-po hatrany hiara-hisikim-ponitra amin’ny fiatrehana ny fandalovan’ity valan’aretina “Coronavirus” ity ny tenako. Ao anatin’ny soatoavina malagasy, ny fanahy maha-olona, ny fihavanana ary ny firaisan-kina, no hanentanako antsika rehetra hiray hina sy hiray fo hatrany amin’ny fiatrehana izao fotoan-tsarotra izao.  
 
  Manentana antsika koa mba hanaraka antsakany sy andavany ny toromarika rehetra apetraky ny Fanjakana italiana sy hifampizara vaovao tsy tapaka araka ny efa nampitaina tao amin’ny tranonkalam-pifandraisan’ny Masoivoho.
 
 Mirary soa sy fahasalamana ho an’ny rehetra ary miombona alahelo sy mankahery ihany koa ny Fanjakana italiana indrindra ireo namana italiana izay tratry ny aretina sy mana-manjò.
 
 
                                              Samia ho tahian’Andriamanitra.


                                             



Ambassade de Madagascar en Italie
Via R. Zandonai 84/A - 00135 Rome

FILAZANA MAIKA

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Miatrika fotoan-tsarotra isika rehetra ankehitriny manoloana ny valan’aretina Coronavirus. Koa hifampizara vaovao isika ahafahana miara-mientana. Ampitao ao amin’ny adiresy mailaka misy ny Masoivohontsika eto Italia: ambamadroma@gmail.com ny laharana finday iray isam-pianakaviana ary mariho ny faritra misy antsika aty an-toerana arak’izay mifanaraka amin’ireto faritra 20 ireto :

 
1-Val d'Aosta; 2-Piemonte; 3-Liguria; 4-Lombardia; 5-Trentino-Alta Adige;
6- Veneto, 7-Friuli-Venezia-Giulia; 8 Emilia-Romagna; 9-Toscana;
10-Marche; 11-Umbria; 12-Lazio; 13-Abruzzo; 14-Molise; 15 della Campania;
16-Basilicata; 17-Puglia; 18-Calabria; 19-Sicilia; 20-Sardegna.

 
Ohatra: Fianakaviana RAMALAGASY; +39 001 001 1100 Val d’Aosta

 
Mankahery antsika hatrany

  


Ambassade de Madagascar en Italie
Via R. Zandonai 84/A - 00135 Rome

FILAZANA

  Manoloana ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus eto Italie sy eran’izao tontolo izao dia misy fanangonam-baovao tsy mitsahatra (Cellule de veille informationelle) natsangana eto amin’ny Masoivoho miaraka amin’ireo tera-tany malagasy vitsivitsy any amin’ny faritra.
 
 
  
  Izany dia natao mba hanamorana ny fanagonam-baovao ara-potoana mikasika ny toe-pahasalaman’ny malagasy rehetra eto Italie manoloana ny aretina.
 
   
    Ireto manaraka ireto ny laharan-tarobia hampitana ny vaovao tsy tapaka aty amin’ny Masoivoho :
 
+39 3297248585
 
+39 3288092742
 
+39 3488976336
 
 
    
     Mankasitraka antsika rehetra tompoko amin’ny fiaraha-miasa.


                                             

Ambassade de Madagascar en Italie
Via R. Zandonai 84/A - 00135 Rome



Ambassade de Madagascar en Italie
Via R. Zandonai 84/A - 00135 Rome



Ambassade de Madagascar en Italie
Via R. Zandonai 84/A - 00135 Rome



En poursuivant votre navigation sur ce site, vous acceptez l’utilisation de cookies.
Questo sito fa uso di Cookies, si prega di leggere l'informativa sul Trattamento dei Dati Clicca qui per saperne di più.

 
Copyright 2020. All rights reserved.
Torna ai contenuti | Torna al menu